Sosialy

Zokiolona Malagasy Betsaka ireo mbola misedra olana


  • Talata 02 Oktobra 2018

Betsaka ireo zokiolona mbola misedra olana eto amin’ny firenena, indrindra ireo tsy manan-janaka. Saika tsy manana mpikarakara avokoa mantsy izy ireny amin’ny androm-pahanterany, hany ka betsaka ireo mivelona amin’ny asa fangatahana eny amoron-dalana.

 

 

 

 

Izany no antom-pisian’ny fikambanana Foyer de vie eny Ampasanimalo Antanimora, hoy ny dokotera Nicolas Rakotondrasoa,  tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana. Mandray an-tanana feno ireny zokiolona tsy manam-piahy ireny izy ireo na manam-piahy ihany saingy tsy zakan’ny zanany. Manomboka amin’ny sakafo sy ny fitafiana, ny fitsaboana raha tojo tsy fahasalamana, eny hatramin’ny fandevenana. Miisa 64 ankehitriny ireo zokiolona karakarain’izy ireo. Efa 29 taona no nisiany. 97 taona no zokiny indrindra, renim-pianakaviana avy any ambanivohitra lavitra  izay  nilaza fa tena tamana tsara tokoa sady voakarakara. Mila manampy ireny zokiolona ireny ihany ny fitondram-panjakana. Manodidina ny 6 % izy ireo  manerana ny Nosy ka mendrika ny hojerena sy hokarakaraina. Nomarihina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny zokiolona. Fizarana vary, menaka, savony no nanamarihan’ny minisiteran’ny mponina azy nanomboka ny zoma lasa teo ka zokiolona 60.000 isa no ezahina hahazo tombontsoa manerana ny Nosy. Teny Antanikatsaka Itaosy no nankalazana izany tamim-pomba ofisialy ho antsika teto amin’ny Faritra Analamanga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT