Sosialy

Zokiolona maka fisotroan-dronono “Notsinjovina manokana ny teny Antaninarenina.”


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Nanomboka omaly tetsy Antaninarenina ny fizarana ny fisotroan-drononon’ireo tokony hisitraka izany ho an’ny faritra Analamanga.

 

 

Tsy maintsy misy, hoy ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Richard Randriamandranto, ny fitsinjovana manokana ireo raiamandrenintsika ao anatin’izao zava-misy izao. Antony nakan’ny governemanta ny toromarika tokony ho ampitaina amin’ny vahoaka avy amin’ny fitondram-panjakana izany. Somary niova kely amin’ny mahazatra, noho izany, ny fandaminana noraisin’ny tahirimbolam-panjakana. Efa tokony fiaina vaovao hizarantsika ny elanelana 1 metatra ary ny zokiolona no tokony tena hanaja izany satria manana fahasarotana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, hoy hatrany ny fanazavana. Nozaraina arovava sy Baume Fosa moa ireo zokiolona. Maharitra herinandro ary manerana ny nosy ny fizarana saingy notsinjovina manokana ny teny Antaninarenina satria somary betsaka mitaha amin’ny hafa, hoy hatrany ny minisitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT