Sosialy

Zokiolona eny Ivato Nampanatonina ny fandraisana « pension »


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Ho afa-pahasahiranana ireo zokiolona mpandray vola fisotroan-dronono eny Ivato.

 

 

 Vita hatreo ny fiaingana vao mangiran-dratsy miala tanàna mamonjy filaharana eny Ambohidratrimo misy ny birao handraisana valin-kasasarana, izay toerana feno kirihitr'ala sy mangina be. Ny lalana mankany amin’ilay toerana koa malama sady kisilasila ary lavitra satria tsy maintsy mandeha an-tongotra raha miala eo an-tampon-tanànan'ny Distrika. Ny Ben'ny tanànan'Ivato, Penjy Randrianarisoa mihitsy moa no nangataka nivantana tamin'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, raha tonga nitokana zava-bita teny an-toerana izy ny zoma 24 aogositra lasa teo, ny amin'ny tokony hametrahana toerana hizarana fisotroan-dronono ho an'ny zokiolona ao Ivato, dia izao nivaly izao. Tao amin'ny trano diamondra misy ny Mining Business Center no tokony hametrahana ilay Ivontoerana hizarana fisotroan-drononon'ireo raiamandreny nahavita be teo amin'ny asa ho an'ny firenena fa nafindra ao amin’ny Kartie 6 ao Ivato ihany ary hotokanana anio alakamisy 30 aogositra. Hisinda hatreo izany ny ahiahin’ireo zokiolona amin’ny tsy fandriampahalemana satria misy voaendaka ny sasany na misy misompatra rehefa avy mandray “pension” teny Ambohidratrimo. Tsy mbola nisokatra akory moa ny ivontoerana dia efa zokiolona 200 sahady no efa nisoratra anarana fa handray ny tambin-kasasarany eny Ivato.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT