Sosialy

Zo maha olona Mitohy ny fizarana kopia ho an’ny ankizy


  • Alarobia 24 Jona 2020

Zaza 1 amin’ny 2 no tsy manana kopia nahaterahana aty Afrika. Manokatra làlana maro eo amin’ny fiainana ny fananana kopia ary misy mihitsy aza ny zavatra tsy azo hatao raha tsy manana izany toy ny fianarana,

 

 

ireo fanadinam-panjakana, ny fanamboarana kara-panondrom-pirenena (CIN), ny fisoratam-panambadiana, ny asa… Noho izany, ny kopia nahaterahana dia marika voalohany maha izy azy ny ankizy iray. Ilainy mandritra ny fiainany manontolo izany hahafahany misitraka ny zony hafa. Eto Madagasikara dia maro ireo ankizy no tsy manana kopia. Manoloana izany, manohana ny paikady nasionaly fanatsarana sy fanamorana ny fanamboarana sy fizarana kopia ho an'ireo ankizy mbola tsy manana izany ny UNICEF ary mitohy izany hatramin'izao na dia ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana. Fantatra moa fa misy andrana fitaovana fikirakirana vaovao manamora kokoa ny fahazoan'ireo ray aman-dReny ny kopian-janany ataon’ ny fitondram-panjakana. Ao anaty vinavina ny hanohizana ny ezaka any Atsimo Andrefana izay ahitana taha ambany dia ambany ny amin’ny ankizy manana kopia.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT