Sosialy

Zazavavy vao 12 taona Notambazana vola sy « biscuit » dia naolana avy eo


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Lehilahy iray 46 taona no nosamborin’ ny polisy miasa ao amin'ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Anosy ny 20 desambra teo rehefa nanolana zaza tsy ampy taona.

Nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Tolagnaro ny 17 desambra ny ramatoa iray 50 taona raha tsiahivina. Nisy nanolana ny 15 desambra lasa teo mantsy ny zanany vavikely vao 12 taona monja ka ity rangahy iray 46 taona no tompon'antoka tamin'izany. Alina vao tonga tao an-trano ity ankizikely ity ka rehefa nanontanian'ny renibeny dia nilaza fa tany an-tranon'ity lehilahy lehibe ity ary nitaraina fa naolan'ity farany. Notambazan'ity lehilahy lehibe ity vola 1.000 Ar sy bisikoitra ilay ankizy kely ary nanamparany ny filan-dratsiny rehefa azon’itsy voalohany izany. Ny 20 desambra teo no noraisina am-bavany io rangahy izay nolazain’ilay zaza fa nanolana azy io saingy nandà ny fiampangana azy . Rehefa nivaly anefa ny tatitra fitsirihana fahasalamana avy amin’ny dokotera dia fantatra fa mitondra vohoka 5 volana ity zazavavikely 12 taona ity. Fantatra araka izany fa efa nanomboka tamin'izy 11 taona no nisian'izao fanolanana izao ary ity rangahy ity no nahabevohoka azy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Taolagnaro moa ity lehilahy nahavanon-doza ity taorian’ny nakana am-bavany azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanolana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT