Sosialy

Zazavavy kely naolan’ny anadahin-dreniny Nivoaka ny hopitaly fa tsy ampy vola


  • Zoma 17 Mey 2019

Mampahonena ny tranga mahazo an’i Canizia, ilay zazavavy kely vao sivy taona monja monina ao Bemanevika, Sambava, naolan’ny anadahin-dreniny ihany.

 

Taorian’ny nampidirana azy hopitaly noho ny faharovitan’ny fivaviany sy ny famoahany maloto aoriana mantsy dia tsy maintsy navoaka ny hopitaly ity zazavavy kely ity noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Tamin’ity herinandro ity izy  no nivoaka ny hopitaly  niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny raha tokony hodidiana anio zoma 17 mey. Raha tsiahivina, norahonan’ilay anadahin-dreniny  ho faty i Canizia raha vao milaza ny marina, taorian’ny nanimbany azy.  Niharitra fanaintainana sy hifirify vokatr’izany ilay zaza nandritra ny herinandro izay vao fantatr’ireo ray aman-dreniny ny marina. Rehefa hitany ho hafahafa sy tsy salama mantsy ity zazavavy kely ity dia nanontaniana ka nilaza ny marina ihany. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo ireo nahitany masoandro mba hifanohana amin’izy ireo na hiantso ny laharam-pinday 032 45 308 95. Tsy mbola nahazoana vaovao ny mahakasika ilay lehilahy nahavanon-doza. Efa malaza sy miely any an-toerana kosa ity zava-doza ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT