Sosialy

Zaza very tao Vavatenina Tafaverina rehefa nanaraka arabe


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Ny 12 jona teo no nisy fitarainana zaza miisa roa very voarain’ny polisy tao Vavatenina. Araka ny fanazavanan’ny lehiben’ny kaomisarian’ny polisy nasionaly ao an-toerana, André Rakotoarison, dia efa tafaverina ao an-tokantranony ireo zaza ankehitriny rehefa nanaraka arabe.

 

 

 

Nisy tsy fahasalamana ara-tsaina ny iray, hoy ny ray aman-dreniny, ary raha tokony ho nianatra dia nivily lalan-kafa. Miisa 5 na 6 isan’andro, raha ny loharanom-baovao iray no fitarainana mahakasika zaza very voarain’ireo tompon’andraikitra eto Madagasikara ary niteraka savorovoro sy fiahiahiana ho an’ny mpanara-baovao tato ho ato. Ho an’ity distrika iray ity dia nanazava ny lehiben’ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa misy ny tsy fandriampahalemana saingy milamina kosa amin’ny ankapobeny ny toe-draharaha, raha mitaha amin’ny distrika hafa. Eo ny fisavana alina ataon’ny mpitandro filaminana ary eo koa ny barazy ekonomika izay tena misoroka ny trafikana lavanila ao an-toerana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT