Sosialy

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Ekena fa tena misy ny fakana an-keriny, izay fikatsahana tombontsoa ara-bola amin’ny endriny maro samihafa no tanjona, na io vola takalon’aina na varotr’olona tsotra izao, mety hanaovana trafikana taova ihany koa izay tsy mbola nahitana porofo mivaingana avy amin’ny mpanao fanadihadiana aloha hatreto.

 

 

 Ekena ihany koa fa misy ny zaza sy ankizy mitsoaka noho ny fifandirana amin’ny ray aman-dreny sy olana ara-pianakaviana isan-karazany. Ekena fa mpitranga ihany koa ny hoe zatovo mifampitaritarika dia manao hadalana…Mampieritreritra ihany anefa ny firongatry ny olona tsy hita sy zaza very manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana.  Efa ho isan’andro no ahitana fanambarana an-gazety sy amin’ny haino aman-jery, eo ihany koa ny peta-drindrina fa hoe tsy hita Rakoto na Rasoa…Misy zaza mipoitra na hita tampoka avy eo izay matetika toa verivery saina izany. Indrisy fa misy koa no hita saingy efa vatana mangatsiaka. Tahaka izany ihany koa ny olon-dehibe. Sarotra ny mino fa misy olona miala ao an-tokantranony dia hoe handeha hanao tsy hita aho mba hanalako azy kely.

Paikadin-tserasera avo lenta

Ankoatra ny resaka ara-bola dia ahiana ho misy ambadika hafa ny fahaverezan’olona mitranga eto Madagasikara, tahaka ny hoe zavatra novolena mihitsy mba hanodinkodinana ny sain’olona tsy hifantoka amin’ny olana atrehany isan’andro sy tsy hifantoka amin’ny raharaham-pirenena sy tsy hijoro hilaza ny tsy mety sy ny tsy rariny ary ny gaboraraka isan-tsokajiny amin’ny fomba fitantanana eto. Efa fomba fanao io, ary misy fianarana manokana ny paikady ampiharina aminy. Tsy ny olona rehetra no mahay serasera avo lenta ka hahatakatra avy hatrany ny ao ambadiky ny tranga rehetra misy etsy sy eroa. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasaky ny Malagasy, hany ka mora fitahina sy ampiesonina. Tsaroana eto ny raharaha Remenabila nandritra ny fitondrana tetezamita. Tsy nisy tohiny intsony, tsy fantatra mazava na maty na lasa aiza izy hatramin’izao. Nanao ahoana ihany koa i Tokanono anisan’ny tanan-kavanan’ity lehiben’ny dahalo ity ? Mbola mitohy ihany hatramin’izao ny asan-dahalo fa efa manomboka miova endrika indray. Ireo nambara fa dahalo niova fo dia efa niverina amin’ny fanaony fahiny indray na dia natao nipoapoaka aza ny lanonana nametrahan’izy ireo fitaovam-piadiana, taona vitsivitsy lasa izay. Ilaina ny serasera saingy zava-doza rehefa ampiasaina hampiesonana ny vahoaka, ary mampatahotra ny zava-mitranga eto Madagasikara satria toa lasa sinema ny fiainam-pirenena, tsy mifampatoky intsony mpiray monina, tsy mahatoky fanjakana ny olona, leo politika, samy maka ho azy…Dia izao iaraha-mahita izao fa tsy mirindra ny asa fampandrosoana ny firenena ka na inona na inona vina sy fandaharan’asa misy eto dia miafara eny an-kianja amin’ny fanonganana mpitondra foana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT