Zaza tsy nahazo karama

Nandeha an-tongotra avy any Antsirabe, hita tao Fianarantsoa


  • Talata 09 Jolay 2024

Zaza iray nandeha an-tongotra avy any Antsirabe no hitan'ny «Ambulance»

na fiara mpitondra mararin’ny CHRR Ralalaonirina Ambositra dia nentiny ary nateriny ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny mponina ao Ambositra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Raha ny fitantarany dia tsy nahazo karama izy hatramin'izay niasany ka niala ary saika hody handeha tongotra any Fianarantsoa. Efa noraisin'ny tale misahana ny mponina ao Ambositra an-tanana ny momba azy ary ho alefa anio. Ny tale misahana ny mponina ao Fianarantsoa indray no handray ny andraikitra hanatitra azy any amin'ny reniny. Tsiahivina moa fa ny lalàna malagasy dia mandrara ny fampiasana zaza tsy ampy taona ka dia miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra amin’ny mety ho fahitana tranga tsy mifanalavitra amin’izao, noho izany, ny fitaleavam-paritra misahana ny mponina ao an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT