ZAZA TSY HITA NENTIN’NY MPANAMPY AN-TRANO

Ramatoa nivahiny tao amin’izy ireo ihany no nitondra azy mianaka


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Tao an-tranona Ramatoa iray nilaza ho jamba izy ireo no natory sy niantrano raha araka ny vaovao azo. Ramatoa niaraka tamin'izy ireo avy any Mahajanga io Ramatoa io raha ny fantatra. Nilaza ny Rain’i Christiano ilay very fa nampiantrano io Ramatoa nilaza ho jamba io izy ireo. Nilaza fa handeha hiverina hody any Nosy-Be, toerana fiaviany anefa ilay Ramatoa tamin’io Zoma io kinanjo izao tratra tany Antsohihy niaraka tamin’i Christiano sy ilay mpitaiza azy izao. Tsiahivina moa fa efa nantsoina ny findain’ity Ramatoa ity saingy nilaza izy fa tsy nahita an’i Christiano sy ilay mpitaiza azy. Rehefa noterena ihany izy dia nilaza fa nampiantrano azy mianaka indray ka mbola hatao fanadihadiana ao Antsohihy ilay Ramatoa milaza ho jamba sy ilay mpitaiza an’i Christiano hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Anatra ho antsika diso mahatokitoky olona loatra ity tranga ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 3 mianaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT