Sosialy

Zaza teraka taom-baovao 2000 mahery ny teto Madagasikara


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Araka ny tombatomban’ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) dia nahatratra 2087 ireo zaza teraka omaly 1 janoary 2020 teto Madagasikara.

 

 

 

Manome 0,53% amin’ny ireo teraka miisa 392 078 manerana izao tontolo izao izany. Isaky ny zaza teraka izay dia tokony hisy fanantenana mitsiry hatrany ny amin’ny ho avy sy ny fahavelomany hoy ny Tale Jeneralin’ny UNICEF, Henrietta Fore. Na izany aza dia ilaina ny fandraisan’andraikitry ny rehetra satria tamin’ny taona 2018 dia nahatratra 2,5 tapitrisa ny zaza manerantany maty aorian’ny iray volana nahaterahana. Ny teto Madagasikara dia nahatratra 17 671 tamin’izany izay afaka nosorohana ny ankamaroany hoy ny UNICEF. Mbola tanjona apetraka hatrany ny hanenana ny taha-pahafatesan’ny zaza latska ny 5 taona satria nahatratra 47% izany tamin’ny taona 2018.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT