Sosialy

Zaza nisy nanala ny masony Notolorana seza misy kodiarana


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Tonga nitsidika ilay zazalahikely vao telo taona monja sembana ara-batana monina ao Ankililaoka, distrikan’i Toliara II ny talen’ny kabinetra sy ny talem-paritry ny minisiteran’ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, omaly.

 Ankoatra ny resadresaka nifanaovan’izy ireo tamin’ireo ray aman-drenin’ity zaza ity izay marihina fa nisy nanala ny masony roa dia nanolotra fanampiana maro samihafa ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny  fatana mitsitsy iray, vilany lehibe roa, lapoaly iray, vilany saba iray, thérmos roa,  sivana iray, plateau lehibe iray, fitoeran-drano lehibe roa, bidon 20 litatra miisa roa ho fanampiana ny ray  aman-drenin’ilay zaza amin’ny asa fiveloman’izy ireo. Nahazo seza misy kodiarana na  “chaise roulante »  ihany koa ilay  zaza hampiasainy amin’izay toerana mety alehany. Raha ny filazan’ireo manodidina ity zaza ity dia resaka fanaovana sorona no ahiana ho nakan’ireo tsy mataho-tody ny masony, baiko avy amin’ireny mpanao mosavy milaza mahavaha olana ireny. Tonga  nanotrona izao fitsidihana izao ny kaomisera ao amin’ny  kaominina Ankililoaka, ny solontenan’ny Ben’ny tanàna ary ny dinabe any an-toerana.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT