Zaza nirenireny teny Antsahamasina Itaosy

Naterin’ny fokonolona tao amin’ny zandarimaria


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Zazalahy kely iray manodidina ny 5 taona eo ho eo raha misy no hitan’ny olona nirenireny teny Antsahamasina Itaosy

distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly. Rehefa nanontaniana io zaza io dia tsy fantany akory izay anaran'ny Ray aman-dReniny. Toraka izany koa ny toerana hipetrahany. Ny Avo kosa no nambarany fa anarany. Naterin'ny fokonolona tao amin'ny borigadin’ny zandarimaria Avaratsena Itaosy avy hatrany io zaza io ho fiarovana ny ainy sy hialana amin’ireo mpanararaotra. Nanome ny laharam-pinday 0341400955 moa ny zandarimariam-pirenena Itaosy ho an’ireo izay mahalala na mahafantatra ny Ray aman-dRenin’io zaza io. Miantso ny Ray aman-dReny rehetra ihany koa izy ireo mba samy hanara-maso ny zanany na dia manahirana aza ny fitadiavam-bola. Izy ireny mantsy no himatimatesana sy hivoahana ny trano isan’andro.
Pati
Legende : Ity ilay zaza hita nirenireny teny Antsahamasina Itaosy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT