Sosialy

Zaza mpirenireny sy vehivavy pitondra tena Hiompanan’ny tetikasa « Exode Urbain » manokana


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Maro ny zaza mpirenireny an-dalana sy vehivavy mpitondra tena narian’ny vadiny izay mahatonga krizy eto amin’ny firenena, hoy omaly ny filohan’ny HAFARI Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Hitodika kokoa amin’izy ireny noho izany, hoy izy, ny tetikasa “Exode Urbain”. Izany hoe haka ny olona tena tsy afaka indrindra sy tena sahirana indrindra mba ho tonga olom-banona sy olompirenena. Misy noho izany ny fananganana fotodrafitrasa toy ny trano fonenana, fianarana, fiangonana ary fampiasana ireny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny. Hita ho miha mafimafy ny andraikitra tsy sahanin’ny lehilahy ary hanaovanay ezaka eto amin’ny HAFARI Malagasy ny hanampy ireo lasibatr’izany. Betsaka ny zaza mpangataka eny amin’ny tsena ary raha volavolaina eny foana ireny dia ho lasa jiolahy raha lehilahy. Makorelina raha vehivavy. Mila jerena izany ary miara-miasa amina masera 3 mirahavavy moa izahay eny Soaniedanana ary eo koa ny fiangonana FJKM. Tsy voatery hanana toerana vao afaka andray andraikitra. Miara-tompon’antoka amin’ity firenena ity isika. Ireo vahiny mbola manjanaka amin’ny fomba maoderina ka manery antsika hifampinana an-toerana no fahavalo eto. Izany no antony hanentananay, ohatra, hoe rehefa tong any 26 jona dia kilalao Malagasy sy arendrina vita Malagasy vidiana na manaova Jiro kapoaka sy fomba amam-panao hafa naha antsika antsika. Hifanampian’ny samy Malagasy koa ny tetikasa “Exode urbain” ary hiitatra amin’izay fijerena manokana ny vehivavy mitondra tena sy zaza mpirenireny izay, hoy hatrany ny HAFARI Malagasy. Efa maherin’ny 4000 isa ireo mponina tompon’ny tany eny Soaniedanana ary maherin’ny 300 kosa ireo fonenana ka antony hijerena ny fivelaran’izy ireo ara-pivelomana koa izany, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
]Legende: Ny filohan’ny HAFARI Malagasy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT