Sosialy

Zaza mivadi-tongotra Tsy fantatra ny anton’ny 80 %-n’ireo tranga misy


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Zaza iray amin’ny 500 isa vao teraka no fantatra fa mivadi-tongotra eto Madagasikara. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny 80 %-n’ny mety ho mahatonga izany raha vokatry ny aretina mandritra ny fotoana hitondran’ny Renim-pianakaviana iray vohoka kosa ny 20 % ambiny.

 

 

 Tsotra ny fitsaboana ity  mivadi-tongotra ity, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Soloarivelo, lehiben’ny ivon-toerana fanamboarana solon-tongotra eo anivon’ny  CHRD Itaosy, indrindra raha vao teraka ny zaza iray dia efa entina manatona ireny ivon-toerana ireny fa tsy andrasana efa lehibe. Enina ka hatramin’ny valo herinandro mantsy raha nambarany no hampanovina platra ny zaza iray. Asiana fitaovana ny tongony aorian’izany izay efa nohamaivanina tanteraka ny fandraisan’anjaran’ny Ray aman-dReny ary arahi-maso ny fivoaran’ny tongotr’ilay zaza mandrapahafenony dimy taona. Na izany aza anefa hoy ity dokotera ity dia tsy mitovy ny tongotra mivadika hatrany an-kibo sy ny tongotra ara-dalana, indrindra fa ny resaka pointure. Anisan’ny manampy betsaka ireny ivon-toerana mandray an-tanàna ny zaza mivadi-tongotra ireny ny “Miracle feet” sy ny “fondation telma”. Zaza miisa 500 hatreto no efa nahazo tombontsoa raha araka ny fanazavan-dRabenindray Sendrarisoa avy amin’ny Miracle feet. Nisy omaly ny fifanakalozan-kevitra nentin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny  niresaka manokana ity mivadi-tongotra ity, hahafahana mampitombo ny tahan’ireo Ray aman-dReny manan-janaka lasibatra manatona ireny ivon-toerana voatokana ireny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT