Sosialy

Zaza menavava roa saika namidy tamin’ny vazaha Tsy mbola fantatra ireo Ray aman-dReniny


  • Talata 09 Mey 2023

Tsy mitsaha-mivoatra ny fitiavan’ny olona vola. Ankoatra ireo entana azo hamidy dia efa lasa fitaovana amidy hahazoam-bola ihany koa amin’izao ny zazakely ho an’ireo tsy mataho-tody.

Zaza menavava miisa 02 no nalaina mpivady ary saika ho amidiny amina vazaha nipetraka any ampitan-dranomasina no sarona omaly. 2 800 000 ar no saika hangalan'ilay vazaha ireo zaza tsy manan-tsiny ireo. Nanao taratasy sandoka mahakasika ilay zaza izy ireo niaraka tamin'ny rafozam-baviny ary nanatona dokotera mihitsy hahavitana izany . Tsy vitan'izy ireo anefa ny nandefa ireo zaza tany an-dafy ka notaizainy tao an-trano. 11 volana aty aoriana , nandefa "Publication" tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook izy mivady milaza fa manana zaza roa ho an'izay olona vonona hanangan-jaza . Narahan'ny Polisy ny fizotran'ilay "publication" ka tra-tehaka izy mivady sy ny rafozam-baviny. Nosamborina ihany koa ilay dokotera nanao ny taratasy hosoka . Vao an-dalam-pikarohana ireo Ray aman-dRenin’ireto zaza menavava roa tsy manan-tsiny ireto moa ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly.
Pati
Legende : Ireto izy mivady sy ireo zaza saika amidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT