Sosialy

Zaza menavava nisy nanary Avotra soamantsara, nomena anarana “AINA”


  • Talata 16 Martsa 2021

Ny zaza no mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zaza. Ankehitriny anefa,

 

 

 dia misy tokoa ny ray aman-dreny mahafoy ny zanany, ka mahavita manary izany. Zaza tsy niriana ? Disadisan-tokantrano ? Hasarotam-piainana ? Ny Alahady 28 Febroary 2021, dia nisy olona tsara sitrapo mipetraka ao Ambohidratrimo no nampilaza ny Talen'ny Akany Avoko Ambohidratrimo, Rtoa Andriandanja Lalasoa Nina fa misy zaza menava nisy nanary eo akaikin'ny vavahadiny. Tonga ny Filohan'ny Fokontany sy solontenan'ny Fokonolona hanatitra ilay zaza tao amin’ny Akany. Lahikely sahabo ho folo andro nahaterahana teo ilay zaza, ary tena mila vonjy maika ka noraisin’ny Talen'ny Akany ary nokarakariany avy hatrany (nandro, nomena sakafo...). Ny Filohan'ny Fokontany kosa dia nandeha nikarakara ny taratasy fametrahana azy tany amin’ny Zandarmaria. Raha ny tokony hatao dia nentina avy hatrany tany amin’ny Mpitsara ny zaza tsy ampy taona ilay zazakely mba hahazo didim-pitsarana ahafahana mametraka na manankina azy vonjimaika amina akany na fianakaviana (Ordonnance de placement proviso ire). Noho ny andro Alahady anefa dia nandray ny andraikiny ny Zandarmaria tao Ambohidratrimo. Tsy manao fananganan-jaza (adoption) ny Akany Avoko Ambohidratrimo dia sady tsy manana " Agrément" ho amin'izany. Manana zo hanana fianakaviana anefa ny zaza. Eo am-pikarakarana ny taratasin'ity zaza ity ny Mpiasa Sosialy mba ahafahana mamindra azy haingana any amin’ny Akany manao "adoption". Ny Talata 9 Marsa lasa teo dia tsy nety nisakafo ilay zazakely. Natahotra ny rehetra ka nentina tany amin’ny dokoteran’ny zaza (Pédiatre) izy. Tsy maintsy namoronana anarana haingana mba hosoratana ao amin’ny karine. "Aina" no anarana nomena azy, satria manana zo ho velona toa ny rehetra izy. Ankehitriny izy dia efa salama tsara ilay zazalahikely. Tsy maintsy ronono manokana anefa no omena azy. Mety hiova Akany tsy ho ela io zaza io raha vao vita ny taratasy famindrana azy.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT