Sosialy

Zaza Malagasy Ankizy 4 amin’ny 10 no miasa alohan’ny faha-18 taonany


  • Talata 30 Jona 2020

Ankizy miisa 4 amin’ny 10 no miasa alohan’ny faha-18 taonany eto amintsika.

 

 

 

 

Ny 11 % amin’izy ireny no efa niharan’ny herisetra ara-batana nataon’ny mpampiasa azy raha ankizy 9 amin’ny 10 kosa no hiharan’ny herisetra hataon’ny fianakaviany aminy. Ankizy 1 amin’ny 2 ihany koa no fantatra fa lasibatry ny herisetra any an-tsekoly. Mikasika ireo ankizy efa miasa manokana dia fantatra fa maro amin’izy ireny no hirahin’ny Ray aman-dReniny hitady vola ka tsy mahazo mody raha tsy mandray anjara amin’ny fampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano. Anisan’ny tena miaina izany ireo ankizy mpatory an-dalambe izay efa mahatratra 2.000 isa ankehitriny, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy iray eto amintsika. Vokany, ny 45 %-n’ny ankizy madinika sisa no afaka miatrika ny fanadinana CEPE noho izany fahantrana lalina hiainan’ny tokantrano Malagasy izay. Ny 23 % no mba afaka manala ny fanadinam-panjakana BEPC raha 2 % sisa no tonga eny amin’ny oniversite. Ahiana hitombo ireo salan’isa ireo, indrindra hatramin’ny niparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 teto amintsika. Saika variana mitady vola avokoa mantsy ny ankizy satria tsy mianatra, raha mankasitraka izany koa ny Ray aman-dReny sasany noho ny fahasahiranana. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izany tranga hiainan’ny zaza Malagasy izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT