ZAZA AMAM-BEHIVAVY MPATORY AN-DALANA

Misy mitady hanolana foana amin’ny alina


  • Zoma 22 Novambra 2024

Misy mitady hanolana foana ireo zaza amam-behivavy mpatory an-dalana eto amintsika.

Voakasik’izany manokana ny eny Tsaralalana sy Analakely ary Petite Vitesse. Raha araka ny fitarainan’ny Renim-pianakaviana iray miaraka amin’ny zanany matory an-dalana etsy Tsaralalana dia efa in-telo saika nisy nanolana izy mianaka hatramin’izay. Tamin’ny farany teo dia fantatra fa ilay zanany kely tsy manan-tsiny vao 8 taona mihitsy no saika nanamparan’ireo mpanao ratsy ny filan-dratsiny. Taitra tampoka anefa io Renim-pianakaviana io tokony ho tamin’ny 11 ora alina noho ny hatsiaka sendra nandalo taminy ka niaro ilay zanany. Avy hatrany dia ny sofiny no notsindromin’ireo mpanao ratsy tamin’ny antsy nandritra izany saingy soa ihany fa tsy tonga tany amin’ny firihifany. Mahatsiaro mijaly ireo zaza amam-behivavy mpatory an-dalana eto amintsika vokatr’izany. Manao antso avo amin’ny Ministry ny mponina araka izany izy ireo mba hijery akaiky ny fiainany. Tsiahivina moa fa efa tonga teny La Reunion kely ny ankamaroan’izy ireo saingy tsy neken’ny mponina teny intsony noho ny fahafenoan’ny toerana.
Pati
Legende : Mijaly ireo zaza amam-behivavy mpatory an-dalana eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT