Sosialy

ZAZA 14 TAONA NAOLAN-DRAIKELINY Tsy namelany raha tsy bevohoka, tany Brickaville no tratra ilay Rangahy


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Zazavavy kely iray vao 14 taona monja no naolan’ny raikeliny tao Andraisoro, Boriborintany fahadimy, ka nitondra vohoka efa ho dimy volana.

 
Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny voamieran’ny fandriampahalemana ao an-toerana  dia efa tamin’ny volana febroary no nokitikitihan’io raikeliny io ity zazavavy ity. Tsy naharitra ilay zaza dia nanaiky ihany, ka nitondra vohoka. Nanomboka nangotraka ny toe-draharaha tao an-tokantranon’izy ireo ka lasa nitsoaka ilay rangahy. Nilaza ny marina tamin-dreniny sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany misy azy mantsy ilay zazavavy, ka ireto farany, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana, no nanao ny fikarohana an’ilay raikely nahavanon-doza. Tany Brickaville vao tratra ity farany ka nentina avy hatrany teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Fotoana fohy taorian’izay dia niakatra fampanoavana ny lehilahy ary efa mamita ny saziny eny amin’ny fonjaben’Antanimora ankehitriny.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT