Sosialy

Zava-doza Ny mponina mitombo , ny asa tsy misy


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Anisan’ireo singa manalefaka sy mampitombo ,ary tena misy fiantraikany amin’ny toekaren’ny firenena iray ny taha-mpitomboan’ny mponina na “taux de croissance démographique”ao aminy.

 

 

Eto Madagasikara dia mahatratra ny 3% isan-taona eo ho eo io taha io raha zara fa 0, 1% ny atsy Maorisy izay anisan’ireo firenena mandroso ankehitriny. Misy fiantraikany goavana nefa izany ary hita soritra vokatr’ ny valanaretina Covid 19 ity amin’ny toekarem-pirenena. Raha ny tatitra nataon` ny CCIFM (Chambre de Commerce et d’Industrie France-Madagascar) tokoa manko dia efa mahatratra 2 000 isa ireo very asa ankehitriny ary 7 000 isa no very asa vonjimaika na “chômage technique”. Ny eo anivon` ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ihany koa dia nanambara fa nidina hatrany amin’ny 91% ny « Chiffre d’affaires » an’ny ankabetsahan’ny orinasa, ary mahatakatra ho 27% tahan’ny fandroahana mpiasa. Mila mijery haingana ny momba ny sehatra tsy miankina izay fototry ny fampandrosoana ireo tompon’andraikitra hanalefahana ny krizy ara-toekarena sy sosialy izay efa manangasanga ankehitriny ny fitondram-panjakana. Ny olana mantsy dia ny mponina mitombo saingy ny asa nisy nihitsiko, ny asa miforona sy ny foto-drafitrasa enti-mampandroso anefa zara raha miampy akory, mitombo ireo tsy an` asa.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT