Sosialy

Zanak’i Fandriana Hifankahita etsy Soanierana


  • Talata 03 Martsa 2020

Aleo tara toy izay tsy misy ! Izay no azo hanambarana ny hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona fanao isan-taona ho an’ny Zanaky ny distrikan’i Fandriana.

 

 

Hetsika karakarain’ny Association Ny Aina, izay tarihan-dRakotomalala Dina Taratriniaina. Fotoana ihany koa hankalazana ny faha-10 taona niorenan`ny fikambanana ny zoma 6 martsa izao etsy amin`ny CEMES Soanierana. Fifankahitana aty an-tany fitadiavana no anton’ny lanonana miaraka amin’ireo andrarezin’ny fanafanana fety toa an`i Francis Turbo sy Generation Mars. Razanamahasoa Christine, filohan`ny Antenimieram-pirenena, no reny mpiahy ny hetsika ary hosinganina manokana ireo olona manan-kaja sy miara-miasa amin`ny zanak`i Fandriana, hoy i Mamonjy Randriamamonjisoa, mpitondra tenin`ny Association Ny Aina, raha nitafa tamin`ny mpanao gazety omaly tetsy Tsimbazaza . Entanina hatrany ny vahoakan`i Fandriana araka ny teny filamatra hoe « Ny Agnarandray tsa afify ». Ny fanamby ho amin`ny dimy taona manaraka dia ny hampitombo ny ambaindain`ny fikambanana sy ny asa mba hahavita misimisy kokoa hatrany, hoy hatrany ny fanazavana. Ny Association Ny Aina dia fantatra amin`ny asa sosialy toy ny fanampiana ireo kaominina 15 ao amin`ny distrika, ny fanampiana ireo CEG eo amin`ny lafiny fotodrafitrasa na fampitaovana, didim-poitra faobe…

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT