ZANAK’AMBOHIDRATRIMO MAROVATANA

Nanampy ny sahirana, nanao fanadiovana faobe


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Miroso amin’ny asa sosialy tokony hotanterahiny ny zanak’Ambohidratrimo na ny ZAM.

Tao amin’ny Fokontany Antsimomparihy no nanatanterahany izany taorian’ny hetsika teny amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo. Fanadiovana faobe no nataon’ny fikambanana raha nahazo fampitaovana avy amin’ny ZAM koa ireo mponina sahirana. Tsy diso anjara tamin’izany ireo mpanasa lamba ao anatin’ny Fokontany Atsimomparihy Ambohidratrimo. « Faly aho fa nahazo fitaovana hoy Rasoa mpanasa lamba ao Ambolomborona ary misaotra an’i prezidà Rabary Hery amin’ny fanomezany ireto fitaovana ireto ahafahako mampitombo ny fidiram-bolako ». Taorian’izay dia niara-nisalahy tamin’ny mponin’Atsimomparihy ireo mpikambana ZAM nanao fanadiovana faobe. « Zary lasa ataon’ny olona fanariam-pako Atsimomparihy hoy ny filohan’ny ZAM Rabary Hery ka dia tsy maintsy diovina. Manjaka rahateo ny gripa amin’izao ka rehefa madio ny tanàna dia lavitra ny aretina ». Olona marobe no tonga namaly ny antson’ny ZAM tamin’ny asa fanadiovana, nanararaotra nitondra ny hetahetan’izy ireo ny mponina mikasika ny olana ara-herin’aratra sy ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora. Nambaran’i Prezidà Rabary Hery fa tetikasa manaraka hoataon’ny fikambanana ny fanoloana ireo takamoa rehetra maty an’i JIRAMA manerana ny faritr’Ambohidratrimo ka hatao « panneau solaire ».Hohazavaina ny tanàna mba tsy hampitebiteby ny mpiasa mirava alina ary mba hisian’ny fandriampahalemana. Hotetezin’ny ZAM hazavaina avokoa ireo Fokontany sivy mandrafitra ny Kaominin’Ambohidratrimo. Mikasika ny tsy fananan’asa moa dia efa miara-miasa amin’ny CFP (Centre de Formation Professionnelle) ao Ambohidratrimo ny ZAM ka hanomboka tsy ho ela ny fanofanana ny tanora, ny renim-pianakaviana, ny lehilahy mba hanamorana ny fitadiavan’izy ireo asa.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fanadiovana notanterahin’izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT