Sosialy

ZAITRA Mitombo isa ireo mivelona aminy


  • Talata 05 Novambra 2019

Mitombo isa hatrany ireo olona mivelona amin’ny asa tenany toy ny zaitra eto amintsika.

 

 

Vehivavy sy renim-pianakaviana miisa 440 indray no niatrika fanadinam-panjakana teo anivon’ny sekoly fianarana zaitra Eccova ny alarobia sy alakamisy teo. Ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika no nampanao ny fanadinana. Ho an’ny andro voalohany dia nisy ny teoria izay natrehin’izy ireo narahina fampiharana avy hatrany. Fahombiazana tanteraka no azo, hoy Rtoa Razanamanalina Volana satria dia kinga saina avokoa ny ankamaroan’ireo mpiadina ary tsy latsaky ny 100 % hatrany ny vokatra azo hatramin’izay. Hanomboka anio sabotsy 02 novambra indray ny fidirana manaraka, haharitra dimy andro. Ankoatra ny fianarana milina indostrialy ho an’ireo izay maniry ny hiasa avy hatrany dia misy ihany koa ny fianarana manaingo ny atin-trano ao amin’ny Eccova, ny fanamboarana pôketra sy kiraro ankoatra ny fanjairana lamaody. Amin’ny volana desambra ho avy izao ny hamarana ny fankalazany ny faha-25 taona niorenany ny Eccova. Mpianatra manodidina ny 20.000 isa no efa navoakany tao anatin’izay fotoana lavabe izay ka vehivavy no maro an’isa indrindra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT