Sosialy

Zaitra an-tsena Fotoana tena mampandeha azy izao


  • Alarobia 20 Jona 2018

Anisan’ny asa tranainy indrindra ny zaitra an-tsena eto an-drenivohitra nefa mbola mampalaza antsika ihany koa. Ankoatra ny eny Ambodinisotry, toerana ahitana betsaka ireo mpanjaitra havanana amin’izany,

dia ahitana renim-pianakaviana manan-talenta amin’ny zaitra an-tsena ihany koa ny etsy Andohananalakely, lalana mihazo an’Ambodifilao sy ny etsy Mahamasina. Am-polony izy ireo no miara-manao io asa io eny an-toerana, izay samy efa mpanjaitra am-polony taona maro avokoa.  Fotoana tena mampandeha ny tsenan’izy ireo ny vanim-potoana tahaka izao, raha araka ny fanadihadiana natao. Ankoatra ny fanjairana ireo sainam-pirenena izay tena be mpikomandy tokoa dia mandeha be ihany koa ny fanjairana malabary ho an’ireo zazalahy kely hatao didim-poitra. Toraka izany koa ireo zaitra maika toy ny ridao, ny patalohan’ankizy, ireo ankanjo friperie tapahina dia amboarina kely. Mahavelona tsara ny asa amin’ny ankapobeny.  Mahazo mpanjifa telo isan’andro mantsy ny mpanjaitra iray raha kely ka manomboka amin’ny 2.000 Ar ny vola azo hatramin’ny 20.000 Ar, indrindra fa ho an’ireo mampanjaitra sendra ireo olona mampanjaitra lambam-pandriana na ridao. Tsiahivina moa fa manjaitra akanjo ihany koa izy ireo raha tsy be filirony. Ora iray eo ho eo no hanaovany izany dia vita raha 30 minitra ny ridao iray. 100 Ar kosa no hanjairan’izy ireo ny sainam-pirenena iray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT