Nihotsaka, entana maro no simba Nihotsaka ny tafon-tranon’ny zaimaika, toerana fivarotana sakafo masaka etsy Analakely.
Ny zoma teo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 09 alina tany ho any, raha araka ny loharanom-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Rehefa nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana dia tsy nisy ny naratra. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy saingy maro ireo entana simba. Raha tsiahivina kely dia anisan’ny tsena tranainy indrindra eto an-drenivohitra ny tsenan’ny zaimaika, izay tantanan’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Manofa avokoa ireo mpivarotra 60 isa mampiasa azy ary samy miezaka manatsara araka izay vitany. Raha araka ny loharanom-baovao tokoa mantsy dia mbola tsy nisy mihitsy hatramin’izay ny fanavaozana ity tsenan’ny zaimaika ity, antony iray nampihotsaka ny tafony. Tsiahivina moa fa tsenan’ny vary mitsangana na jajirika no fiantso ity tsena ity tany aloha.
Pati sy J. mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.