Sosialy

Zaimaika Analakely Madio sy mamiratra aloha hatreto


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Tena madio ny fivarotana. Ireo mpivarotra manana ny ankanjo manokana sady mitovy daholo. Madio tsara ny toerana ary tsy ahitana fako sy vary masaka milatsadatsaka mihitsy eny amin'ny tany na potiny kely aza.

 Izany ka hoe manara-penitra. Izay amin’ny ankapobeny ny fanamarihan’ireo efa avy nanjifa tao amin’ny Zaimaika Analakely, taorian’ny fanarenana ity toeram-pisakafoanana malaza izay nihotsaka rehefa ela nietezana ity. Madio sy mamiratra, araka izany, hatreto ny toerana na atiny izany na ivelany. Toy ny ahiahin’ny olompirenena Malagasy hatramin’izay manoloana ny fisiana zava-baovao izay efa fahita eto Antananarivo ihany koa anefa ny ahiahy apetrak’ireo mpanaraka ny zava-misy. Sao dia ho aty am-boalohany ihany no hadio sy hamiratra tahaka izao fa rehefa mandeha eo ny fotoana dia hiha goragora indray ny fikolokoloana sy fikojakojana izany? Isan’ny tsikaritra ho tsy mirindra rahateo hatreto ny hafanana ao anatin’ny toerana. Tsy nisy fijerena na “etude” mikasika izany mialoha ve, hoy ny fanontaniana mipetraka? Hirariana mba ho any amin’ny tsara kokoa na izany aza ny fivoaran’ny toerana fa tsy sanatria hamerina ny loto efa nisy indray. Na ilay endriky ny toerana izay toa nanadino ny endrika tena nahalalana izany Zaimaika izany moa efa manokatra adihevitra hafa rahateo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT