Sosialy

Zaimaika Analakely Haharitra ny fanarenana


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Herinandro taorian’ny nirodanan’ny tafon’ny Zaimaika etsy Analakely dia fantatra fa hiroso amin’ny fanarenana izany ny tombon’andraikitra.

 

Ny alatsinainy teo, raha ny fanazavana, no nanomboka ny fanadiovana izy ireo ary efa afaka nivarotra tao aorian’izay. Ny zoma teo kosa no nanomboka narenina ny tafo ary ny kaominina no miantoka manontolo ny lany amin’izany, hoy ny delegen’ny tsena. Misy ny fandaminana apetraka mandra-pahavitan’ny asa fanamboarana rehetra. Manoloana izany dia misy ireo mankasitraka ny famindrana toerana vonjimaika ary misy kosa ireo tsy afa-po, raha ny fanadihadiana hatrany. Antony dia mampitaraina azy ireo ny fahasahiranana amin’ny famindrana ireo hani-masaka izay hamidin’ny ankamaroan’ireto mpivarotra ireto ho amin’izay toeran-kafa izay. 64, raha tsiahivina ny isan’ireo mpivarotra ao amin’ity toerana ity ary tamin’ny 15 taona lasa no nisy fanamboarana farany. Mety haharitra anefa ny fanarenana amin’ity manaraka ity, hoy hatrany ny delege.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT