Renim-pianakaviana mpizaika iray 60 taona no namoy ny ainy tampoka ny alin’ny sabotsy 7 septambra lasa teo teny Soamandrakizay nandritra ny lamesa goavana niarahan’ireo mpino marobe tamin’i Papa Fransoa teny an-toerana.
Aretin’ny taovam-pisefoana no voalaza nahazo azy ka nandreraka azy ary tsy nahatazomana ny ainy intsony. Voalaza mantsy fa tratry ny sohika mahery (asthme suraigu) izy io, ka nindaosin’ny fahafatesana na teo aza ny ala nenina nataon’ny mpitsabo taminy. Nahatratra 248 ireo marary nozahana sy notsaboina tao amin'ny PMA (Poste Médical Avancé) teny Soamandrakizay. Ny 15 tamin'ireo voatery naiditra hopitaly, ka nisy nalefa tao amin’ny HJRA Ampefiloha, ny sasany kosa tao amin’ny HJRB Befelatanana. Rahampitso alarobia moa vao hamoaka ny vaovao rehetra momba ny zava-nitranga teny Soamandrakizay ny mpitandro ny filaminana, raha ny fampitam-baovao farany voaray. Nirindra tsara ireo mpivavaka nihazo an’i Soamandrakizay na dia nisy aza ny indro kely. Nilamina ihany koa ny fivoahan’izy ireo teny an-toerana na dia naharitra ora telo vao tafavoaka teny amin’ny arabe ny rehetra. Maromaro ireo zaza very saingy efa saika nahita ny ray aman-dreniny avokoa, fa ny 3 tamin’ireo ankizy tafasaraka tamin’ny mpitondra azy no tsy nisy naka mihintsy ka voatery naterin’ny polisy tany amin’ireo relijiozy ao amin’ny « sœur capucine » Sabotsy Namehana, ka tsy fantatra mazava hatreto na efa nisy naka na mbola any. Mafy kosa ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo teny Soamandrakizay ny sabotsy sy alahady noho ny vovoka tena nitorajofo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy isika, ary mirary fahasalamana ihany koa ho an’ireo manaraka fitsaboana.
Tatsy amin’ny Nosy Maorisy izay notsidihin’ny Papa omaly, dia polisy vavy iray 43 taona izay tsy tsy am-perin’asa (congé) no namoy raha ny naniry ny hijery ny Papa tao Port-Louis no sendra tsy fahasalamana tampoka teo amin’ny « Parvis » an’ny Katedraly Saint Louis, ka tsy tana ny ainy na nialana nenina aza.
Pati sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.