Vovo, lavadrano

«Apetraka any amin’ny tanàna andalovan’ny rano madio»


  • Talata 29 Oktobra 2024

Misy ny tekinisianina mpanao ny antsoina hoe «forage» na fandavahana lavadrano,

hoy ny federasionin’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tadidio, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo fa amin’ny malagasy, na tsy teo aza ny tekinisianina amin’izany, na tsy nianatra izany aza ny malagasy dia efa hainy hoe eto misy loharana miboiboika azo trandrahana ho lavadrano na vovo hoy ny fitenintsika azy. Efa tamin’ny andron’ny Ntaolo no nisy ny vovo fa jerena fotsiny ny hoe aiza ho aiza ilay toerana? Tsy hoe kosa ianao andeha hanao vovo any amin’ny tanàna iva nefa ny ankamaroan’ny rano midina any efa rano maloto avy any amin’ny tanàna avo. Izay no ilàna ny atao hoe «bombonne» any amin’ny tanàna iva. Apetraka any amin’ny tanàna andalovan’ny rano madio ny atao hoe vovo. Raha tanàna akaikina loharano efa ritra kosa nefa azo heritreretina hoe misy loharanona rano ao ambany ao dia fehiny izany ny hoe tsy mora ny manao zavatra fa isika malagasy mila mahay mihaino ihany koa fa tsy mitsikera be fahatany fotsiny. Mila mifampihaino ny rehetra mba hivoahan’ny tena vahaolana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT