Sosialy

Votsotra tampoka ilay alika Olona enina voakaikitra


  • Talata 28 Janoary 2020

Olona miisa 6 no indray nahita faisana tamin’ny kaikitry ny alika tany amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

Alika masiaka votsotra tampoka izy io raha ny vaovao azo ka nandripaka ireo izay sendra azy. Namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany moa  ny 4 tamin’ireo voakaikitr’ity alika ireo, raha tsy hita kosa ireo olona 2  ambiny. Nisy ihany koa  ireo nametraka fitarainana. Nalefa ao Vangaindrano moa ireo olona 4 ireo hizahana ifotony ny fahasalamany sy hanamarihana raha romotra ilay alika nanaikitra azy ireo na tsia.  Tetsy  an-kilan’izay, nifanenjehan’ny mponina ary novonoin’izy ireo ho faty avy hatrany ity alika ity. Nivory kosa ny tompon’andraikitra tany an-toerana taorian’izay  ary tapaka fa tsy maintsy  fatoran’ny tompony avokoa ny alika rehetra manan-tompo ao amin’ity distrika ity manomboka izao, ary hosamborina kosa ireo alika mpirenireny tsy fanta-piaviana. Tsy misy ahiana moa ny ain’ireo olona efatra lasibatra hatramin’ny fotoana nanoratanay, omaly.

Nangonin’i Pati  

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT