Sosialy

Vontovorona Nanao fanadiovana faobe ny teny amin’ny Polyteknika


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Betsaka ireo zava-manahirana ireo mpianatra manovo fahalalana eny amin’ny politeky Vontovorona amin’izao. Ankoatra ny tsy fisian’ny rano,

 ny fahalotoan’ny trano fivoahana dia mbola olana ihany koa ny toerana hanatobiana ny fako avy amin’ny tranon’ny mpianatra tsirairay avy antony nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo teny an-toerana afak’omaly sabotsy. Nitarika izany teny an-toerana ny Minisitry ny kolontsaina sy ny Serasera Andriantongarivo Lalatiana, notronin’ny Ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo Rakotobe Christian. Taorian’ny diabe niarahana tamin’ireo mpianatra dia nifanome tanana tamin’ny fanadiovana ankapobeny, fanalana ireo lobolobo manodidina amin’ny tranon’ny mpianatra, fa indrindra fanamboarana toerana fanariam-pako no nentina nanamarihana ny hetsika. Tsiahivina moa fa anisan’ny mbola olana sedrain’ireo mpianatra eny amin’ny politeky Vontovorona ihany koa ny fahateren’ny efitrano fianarana koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fanadiovana notanterahina tamin’ny Sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT