Sosialy

Vono olona teny Behenjy Hotsaraina rahampitso ilay lehilahy namono ny vadiny


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Rahampitso alakamisy31 oktobra no hotsaraina ilay lehilahy namono am-pitaka ny vadiny tany Behenjy, herintaona lasa izay.

 

 

 

 Efa nampidirina am-ponja vonjimaika izy tao anatin’izay fotoana lavalava izay. Ho fantatra amin’io ny sazy hiandry azy ao amin’ny   biraon’ny fitsarana ao Ambatolampy.  Mpiasan’ny fitsarana avy aty Antananarivo Renivohitra  no hidina any an-toerana handray an-tanana ny raharaha. Raha tsiahivina, niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity, rehefa namitaka ny vadiny ka nilaza taminy fa hitsangantsangana any Behenjy izy ireo. Rehefa tonga tany an-toerana anefa  dia nivadihany ilay vadiny ary novelesiny ny maritoa ny  lohany ka  niafara tamin’ny fahafatesan’ity farany. Ilay lehilahy  ihany  avy eo no mody nampandre ny fianakavian’ny vadiny saingy efa mailo iretsy farany, noho ny fisian’ny fitarainana nataon’ilay vehivavy hatramin’izay. Nitondra zandary avy hatrany izy ireo. Nandritra ny fizahana ny razana nataon’ireo dokotera sy zandary ihany dia niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

Nangonin’i Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT