Olona roa izay lehilahy sy vehivavy no indray hita faty teny amin’ny Ranon’Ikopa teny amin’ny fefilohan’i Soavina manakaiky an’i Tanjombato omaly vao maraina.
Ilay lehilahy dia teo amoron-drano ny fatiny, izay feno dian’antsy ny vatany ary niparitaka ny ra, indrindra fa ny manandrify ny lohany sy ny vavany. Ilay vehivavy kosa dia tao anaty rano, ary niboridana tanteraka, ka ny kibony sy ny nonony ary ny tanany no tena nipoitra, fa ny lohany kosa nilentika tao anaty rano. Rehefa nakarina ny razana, dia nahitana dian'antsy ihany koa tandrifin'ny fony rehefa avy nobatain'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpitsabo avy ao anaty rano. Tombanana ho avy naolana izy io, izay vao notaperina ny ainy. Nahavory olona maro izay liana tamin’ny zava-nisy ity zava-doza ity, saingy tamin’ny ankapobeny dia tsy dia nisy nahalala firy ireto olona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ireto. Nisy ihany feo nivoaka fa mpivady izy ireo ary mipetraka eny Anosibe, saingy tsy mbola tena voamarina tamin’ny fotoana nanoratana. Nalain’ny fiara mpitondra marary teny an-toerana ireo razana ary nentina natao fizahana any amin’ny hopitaly. Mampametra-panontaniana ity zava-doza mahatsiravina ity : nendahina ny alina ve izy ireo avy eo novonoina ? Mbola hita teny amin’ny tanan’ilay vehivavy anefa ny vangovango na “bracelet” heverina ho volafotsy, izay toa mandefa ny saina hieritreritra ho vono olona niniana natao noho ny resaka valifaty na lonilonim-piarahamonina izy ity. Andrasana izay ho tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana manoloana ity zava-doza ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.