Sosialy

Vono olona mahatsiravina Novonoina sady noboriana ny tanany


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny asa fanendahana sy ny fandrobana dia misy hatrany ireo razana hita etsy sy eroa izay tsy fantatra fa nisy namono na namono tena.

 

 

 

Tovolahy iray sahabo ho 30 na 35 taona eo ho eo indray omaly no hita faty  tany Anjozorobe,  teo ampitan’ny tobim-pivarotan-tsolika iray sy ny tetezana. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa tsy misy tanana roa intsony ilay razana ary efa simba tanteraka. Niboridana tanteraka ihany koa ny tapany ambony, ka tsy nisy nahafantarana izay  momba azy tany aminy.  Hatramin’ny fotoana nanoratanay moa dia tsy mbola fantatra izay fianakavian’ny maty. Mila mitandrina ny rehetra manoloana ny tranga tahaka izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fodiana alina izay tena efa tsy hatokisana intsony amin’izao fotoana.

 

Patty

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT