Sosialy

Vono olona mahatsiravina Nokapohina ny lohany, noratraina ny fivaviany


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Nahitana fatim-behivavy iray tao ambadiky ny toerana filalaovam-baolina manamorona ny ranomasina ao Analalava ny alin’ny alatsinainy 6 janoary lasa teo.

 

 

Ny fokonolona no nahita io vehivavy io tokony ho tamin’ny 08 ora alina  izay fantatra fa mbola nisy aina kely saingy efa tsy nahateny intsony . Nentin’ny fokonolona namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany  izy taorian’izany saingy tsy tana intsony ny ainy. Raha araka ny fanazavan’ireo olona namonjy ity vehivavy ity dia novoinoina tamin’ny fomba feno habibiana itsy farany. Tombanana ho nokapohina mafy teo amin’ny hatoka sy ny lohany, antony tsy nahafahana namonjy ny ainy haingana . Nisy ratra ihany koa ny fivaviany hoy ireo mpitsabo. Mpivarotra anana  anefa no asan’ity renim-pianakaviana ity izay mbola mitaizakely fa tsy olona mpanam-bolabe. Mbola mitaiza kely sy mampinono ihany koa izy raha ny fantatra. Na izany aza dia efa voalevina ny razana. Tsy mbola fantatra moa hatreto izay olona nahavanon-doza namono ity vehivavy ity.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT