Sosialy

«Vonjy voina» ao Ikongo 6000 Ariary isan’andro no omena ireo mponina miasa


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Nandritry ny herintaona dia fahasahiranana foana ny mitatitra ireo entam-barotra avy ao Ikongo toy ny voankazo sy legioma ary vary.

Azo lazaina hoe tsy vita na «impossible» mihitsy izany, hoy ny fanazavana teo anivon’ny FID na ny tetikasa famatsiana momba ny fampandrosoana. Voatery mitatitra izany amin’ny alalan’ny dia an-tongotra ireo tantsaha na mivarotra ny entany amin’ny vidiny ambany dia ambany na koa dia manary fotsiny izao ny entam-barony. Antony io hanatanterahana ny tetikasa momba ny lalana toy ny lalamby izao, ohatra, dia voakasiky ny fanavaozana ny kaominin’i Tongoloina sy Manampatrana. Mirefy 16km ny lalamby harenina amin’ny alalan’ny asa-tana-maro hampandraisana anjara ireo mponina ao anatin’ilay tetikasa antsoina hoe «Vonjy voina», izay ireo fianakaviana tena marefo sy sahirana na lasibatrana loza voajanahary moa no tena voakasiny. Asa mandritry ny 8 andro no atakalo vola ao anatin’izany ary olona 600 isa no nisitraka azy io raha ny mikasika ilay tetikasa lalamby voalaza teo. Eo koa ny fanatsarana ny lalana toy ny natao tamin’ny RN 14t izay mampitohy an’i Ifanadiana sy Ikongo. 2 andro vao tody izany nefa 96km. Ny mampitohy an’Ambohimisafy sy Tongoloina koa izao dia olona miisa 600 no nisitraka ny asa fanarenana ity lalana mirefy 12 km ity. Ora 5 isan’andro no hiasan’izy ireo ary handraisany 6000 Ariary isan’andro isan’olona mandritry ny 8 andro, hoy hatrany ny fanazavana. Toy izao manaraka izao moa ny tabilao mampiseho ny fandaharam-potoana mikasika ny tetikasa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT