Sosialy

Vonjy Be Sady an-tsaha no an-tanàna ety Antehiroka


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Midina ifotony mijery ny zava-misy, mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny tantsaha.

 

Mitety fokontany miaraka amin’ny ekipa midinidinika amin’ny mpiara-monina ny amin’izay hampandrosoana ny tanàna. Sady an-tsaha no an-tanàna, anisan’ny nanamarika izay iray volana nanaovan-dRaharinisa Vonjiniana antsoin’ny maro hoe : Vonjy Be ny savaranonando mialoha ny hisokafan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsain’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019 ho avy izao. Manao ranolava ankehitriny ny fanohanana sy ny fanehoana vonona ny hifanome tanana amin’i Vonjy Be, kandida Ben’ny tanàna tsy miankina ao amin’ny kaominina Antehiroka, amin’ny fampandrosoana azy. Miantso ny fifanomezan-tanan'ny rehetra i Vonjy Be izay resy lahatra fa Antehiroka dia tsy maintsy miova, mivoatra ary mandroso.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT