Sosialy

Vondron’olona ifotony miisa 5 Nanavao fifanarahana 10 taona amin’Ambatovy


  • Talata 07 Jona 2022

Vondron’olona Ifotony (VOI) miisa 5 eny amin’ny manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga izay nisitraka tohana teo amin’ny lafiny maro avy amin’Ambatovy no nanavao ho 10 taona ny fifanarahana fitantanana

haren-javaboahary any an-toerana ny 24 sy 25 mey 2022, hoy ny fampitam-baovaon’Ambatovy ny faran’ny herinandro teo. Nahita fahombiazana izy ireo nandritra ireo dingana roa teo aloha izay samy naharitra 3 taona avy, araka ny tombana nataon’ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (CIREDD) ao Moramanga, hany ka afaka nanavao ny fifanarahana ho folo taona, hoy ny fanazavana. Nanao sonia ny fifanarahana niaraka tamin’ny CIREDD Moramanga sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary ireo VOI. Ezaka sy fandrosoana, Ambohimanarivo Ala Maintso (AAM) ary Miaro ny Tontolo Iainana (MTI), ny 24 mey 2022, tao Ampitambe Moramanga. Ny ampitson’io kosa, ny 25 mey 2022, no nanatanteraka ny azy tao Marovoay, kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, ny VOI Velonaina (Marovoay) sy Telomira (Ambohibolakely). Nanampy ireo VOI teo amin’ny lafiny teknika tamin’ny fitantanana ny haren- javaboahary sy fanatsarana ireo asa fidiram-bolan’ireo mpikambana ao aminy Ambatovy mba hanenana ny fiankinan-dohan’izy ireo amin’ny ala. Vondron’olona miisa 9 manodidina ny faritra arovan’Ambatovy no nahazo famindram-pitantanana haren-javaboahary avy amin’ny fanjakana malagasy, ka ny 7 amin’ireo no miara-miasa mivantana amin’Ambatovy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT