Sosialy

Vondrona fifankatiavana parlemantera Hitsinjo ireo ankizy afaka baka zanaky ny sahirana


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Hitsinjo ireo ankizy afaka baka zanaky ny sahirana eto amintsika ireo tera-tany Sinoa. Nanolotra vatsim-pianarana mitentina 50 tapitrisa Ar

 ho an’ny zaza Malagasy izy ireo ny faran’ny herinandro teo ka amin’ny alalan’ny solom-bavambahoaka tsirairay avy no hifantenana ireo ankizy sahirana nefa mahay saingy tsy manana fahefana hanohy fianarana intsony. Isaky ny distrika no hanaovana izany fisafidianana ireo ankizy izany ka fiantohana ny fianaran’ireo ankizy, hatramin’ny fahazoany ny mari-pahaizana “licence” no hositrahany mandritra izany. Mpandraharaha sinoa monina eto Madagasikara ireto manampy ny zaza Malagasy ireo miara-miasa amin’ny Vondrona Fifankatiavana Parlemantera. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo teny Ivato ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta dia ny firenena sinoa sy ny firenena Malagasy izany amin’ny alalan’ny antenimieram-pirenena. Notoloran’ireo teratany Sinoa aponga miisa 500 isa ihany koa ireo solombavambahoaka, izay tafiditra ao anatin’ny fampivoarana ny kolontsaina hiarahan’ny roa tonta mifampizara sy mifanolotra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ankoatra ilay vatsim-pianarana dia nahazo aponga ihany koa ny Antenimieram-pirenena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT