Voly mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Tsy azo ihodivirana, nomena fiofanana ny Fikambanana Mamiratra


  • Zoma 29 Novambra 2024

Nampisalorana ny anarana hoe «Za Mamiratra» ny andiany faha 3 tamin’ireo nahavita fiofanana teo

anivon’ny fikambanana Mamiratra izay tarihin’ny filohany, Andrianarivelo Toky Harilanto na Toky Mamiratra, tamin’ity taona 2024 ity. Miisa 495 ireto andiany navoaka ireto, raha ny fanazavany, ary azo lazaina hoe betsaka indrindra tao anatin’izay 12 taona nisian’ny fikambanana izay. Izany aza mbola avoaka tsikelikely satria mbola ao koa ireo mianatra teny anglisy sy koreanina. Amin’ny herinandro koa izao ho avoaka ireo ankizy mianatra sakafo koreanina, hoy hatrany ny filohan’ny Mamiratra. Omaly alakamisy moa no notontosaina tetsy amin’ny SK Melody Mandriambero ny famoahana ireto andiany nahavita ny fiofanana marolafy toy ny resaka «Call center» na tan-tsoroka ampitain-davitra, ny fikarakarana toeram-pandraisam-bahiny, ny «crochet» na tenona ary ny nampiavaka ireo andiany nivoaka tamin’ity kosa, hoy ny filohan’ny Mamiratra, dia ny nivoahan’ireo nahavita fiofanana momba ny atao hoe Tsara voly na «permaculture», izay tekinikam-pambolena mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny minisitera mihitsy no nampiofana tao anatin’izany. 3 volana eo hatrany moa no faharetan’ny fiofanana isanisany. Ny antony nidirana tamin’ilay fampiofanana momba ny voly mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro moa dia noho izany tetikasa goavana indrindra eo anivon’ny minisitera ka ny fikambanana Mamiratra no natokisan’izy ireo iaraha-miasa tao anatin’izany, hoy hatrany ny fanazavany. Tetsy ankilany kosa dia nilaza ny filoha mpanorina ny fikambanana Tsara voatra, izay nanampy tao anatin’izany, fa tsy maintsy idirana io fampianarana tekinika vaovao amin’ny fambolena io satria tsy hanana hoavy intsony ny fambolena eto Madagasikara atsy ho atsy raha mbola hifikitra amin’ny tekinika mahazatra. Efa tsy azo ihodivirana intsony tsinona, hoy izy, ilay fahapotehan’ny tontolo iainana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT