Sosialy

Volobe na bambou Karazan-kazo hahafahana miady amin’ny fandripahana ala


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Manana karazana volobe na bambou miisa 46 isika eto Madagasikara ankehitriny.

Mbola tena vitsy io raha oharina amin’ireo karazany misy any ivelany,  hoy i Vladimir Ratsimandresy, mpandrindra nasionalin’ny Prosperer omaly. Mahatratra 1.300 isa mantsy ny any ivelany, karazan-kazo iray hahafahana miady amin’ny fandripahana ala, indrindra fa ny eto amintsika. Vitan’ny volobe ny manolo ireo karazan-kazo hatao arina eto amintsika, ireo hatao fanaka sy haingon-trano maro isan-karazany. Ilana ezaka  goavana ny fambolena volobe eto amintsika, hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny Prosperer ity. Nahatratra 170 ha ny toerana efa voavoly volobe eto amintsika. Ankehitriny dia anisan’ny tanjona ny hampiakarana izany hatrany amin’ny 40.000 ha ho fiarovana ny tontolo iainana. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny volobe. Ankoatra ny fanentanana ny tsirairay mba hamboly sy hiaro ity karazan-kazo iray ity dia nisy ihany koa ny fampirantiana ireo karazana fanaka sy haingon-trano vita amin’ny volobe, hetsika notanterahina tetsy amin’ny hotel le louvre Antaninarenina. Tsiahivina moa fa  azo hatao sakafo tsara ihany koa ny volobe na bambou misy eto amintsika.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT