Sosialy

Volan’olona 20 tapitrisa Ar nentina nitsoaka Ny rainy no nibaby ny heloka, natao antoka ny tranony


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Andranomatsiko, fokontany Antanifotsy II ,

 

 

 

 

 kaominina ambanivohitr’i Sambava. Tovolahy iray 30 taona no nitondra volan’olona 20 tapitrisa Ar avy  nangalariny nandeha  nitsoaka. Efa ho roa herinandro no tsy hita io tovolahy io ka ny ray niteraka azy no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ary natolotra ny fitsarana tany Antalaha.  Nahazo fahafahana vonjimaika ny rain’ilay tovolahy na izany aza miandry ny fitsarana azy amin'ny 07 novambra ho avy izao. Nisy mantsy raharaham-pihavanana nataony  izay nanekeny tsy fidiny hizaka ny heloka nataon’ilay  zanany. Natao antoka ny trano fonenany sy tokotany mandrapahefany ilay volan’olona nangalarin-janany. Aza manody ny tranga tahaka itony.  Zanaka tokony hanampy indray no mampibaby fahoriana ireo nahitana masoandro efa tokony hiandry valibabena.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT