Sosialy

Volan’ny mpiasam-panjakana nakepoka Tompon’andraikitra marobe higadra


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Mitohy ny gidragidra nateraky ny raharaha vola 65 000Ar solona « panier garni »

 

 

 nomen’ny Filoha ho an’ny mpiasam-panjakana. Toa nisy nanakepoka sy nanabory teny an-dalana ka misy 9000Ar, 8000Ar, na 6000Ar sy latsak’izany aza no tonga. Mitokona koa ny mpampianatra amina faritra maro. Nilatsaka ny fanambaran’ny governemanta tamin’ny alalan’ny mpitondra teny, ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nohamafisina fa 65 000Ar ny sora-bola notapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Ny fizarana vola ankoatra izay dia tsy mifanaraka amin’ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena, hoy io fanambarana io. Ny minisiteran’ny fanabeazana no tena voaresaka. Nambara ary fa hisy ny fanadihadiana hataon’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) mba hahafantarana marina ny tompon’andraikitra voakasik’izany, ary miankina amin’io fanadihadiana io ny fepetra horaisina. Lasa takon’ny minisiteran’ny fanabeazana fotsiny, kanefa misy maneho fa ny minisiteran’ny angovo, ohatra, dia vary 10 Kg, ganagana salantsalany 1, menaka 1litatra. Ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka vary 10 kg, menaka 1litatra, savony bara 1, fromazy 1 boaty… Raha dinihina amin’io dia tena nandeha ny afera, ka tsy minisitera iray ihany no tokony handefasana IGE, fa tena ny minisitera rehetra. Nataon’ny filoha be filaza ny resaka ady amin’ny kolikoly, ny fangaraharana amin’ny tolo-barotra amin’ny tsenan’asam-panjakana, tsy hoekena ary mandoa sy mamerina hatramin’ny iraimbilanja ny vola nalaina ny mpiasam-panjakana nanodinkodim-bola ankoatra ny sazy,… Nambara tamin’izany fa tsy misy indrafo na kely aza na “tolerance zero”, izay tompon’andraikitra maro mety hahita loza. Na izany aza dia mila miainga avy any ambony ny ohatra. Volam-panjakana sa avy amin’ny filoha manokana io ? Voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana ve ? Sa nalaina tao anatin’ilay “fonds souverains” 200miliara ariary izay voasoratra ao anaty tetibola 2020 ? Betsaka loatra ny zavatra tsy mangarahara eto. Vola solom-bodiakoho tahaka ireny aza izao ny fintantanana sy ny tsy fahafehezana azy ka mba manao ahoana ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena ? Mainka fa ny firenena manontolo.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT