Sosialy

Volamena ao Vohilava Mifampitana ny Depiote sy ny Lehiben'ny Distrika


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Nikasa ny hanao fitokonana ny mponina ao Vohilava, omaly, tsy manaiky ny fitrandrahana volamena manimba tontolo iainana ao an-toerana ataona Sinoa. Nilaza ny depioten’i Mananjary

 

 

 

Mamihaja Charlot fa misy mandrahona hisambotra izay mponina mitokona. Nahitsy ny tenin’ity olomboafidy ity fa « fiarovana ny tombotsoan'ny Sinoa » no ataon’ny solontenam-panjakana ao Mananjary. Miangavy ny hanakatonana ny sambo mitrandraka volamena ao Vohilava io ny depiote Mamihaja Charlot. « Aoka tsy ny Vahoaka madinika efa nopotehinareo sy ny Sinoa ny tanindrazany no mbola hogadrainareo. Raha mety aminareo ny fitrandrahana volamena dia ataovy any am-baravaranareo no trongisiny, fa tsy ny Vahoaka sahirana, sady efa mijaly no foretinareo », hoy hatrany ity parlemantera ity, tamin’ny teny hentitra. Manahy mafy no mety fisiana kolikoly avo lenta ambadiky ny fitrandrahana volamena ataona Sinoa izay mampikaikaika ny Vahoaka ao Vohilava hatramin'ny ela ity solombam-bahoaka ity. Niantso ny ministera misahana ny harena ankibon’ny tany sy OMC Mananjary ny tenany mba hijery ifotony ny zava-misy sy ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka, ka hampiato io fitrandrahana io.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT