Sosialy

VOLA TEO ALOHA Mbola manan-kery hatramin’ny rahampitso


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Betsaka sahady ireo olona tsy mety mandray intsony ireny karazam-bola nivoaka tamin’ny taona 2003 -2004 ireny efa ho tapa-bolana izao.

 

Voakasik’izany manokana ireo mpanampin’ny mpamily fiarakodia sy ny mpivarotra sasantsasany. Raha araka ny fampahatsiahivina nentin’ny banky foibe, ny faran’ny herinandro teo anefa araka ny didim-panjakana 2019/2135 tamin’ny 26 novambra taona 2019  dia mbola manan-kery hatramin’ny rahampitso talata ireny vola ireny ary manavoasazy ny fandavana ny fandraisana izany. Aorian’ny rahampitso talata kosa vao tsy manan-kery intsony izy ireny saingy mbola manana 16 volana na herintaona sy tapany ireo manana hahafahany manakalo ny vola eny amin’ny masoivohon’ny banky foibe sy ny tahirim-bolam-panjakana. Manomboka ny volana janoary taona 2020 ka hatramin’ny faran’ny volana desambra taona 2020 dia afaka manatona ny tahirim-bolam-panjakana sy ny masoivohon’ny banky foibe ireo mpanjifa mbola manana azy mba ho hatakalo. Ny enina volana farany kosa izany hoe : ny janoary taona 2021 ka hatramin’ny volana jona 2021 dia eny amin’ny banky foibe irery ihany sisa no afaka manakalo. Anisan’ny voakasik’ity vola tsy manan-kery ity intsony ny vola taratasy 2.000 Ar miloko maitso, ny 10.000 Ar miloko maitso ihany koa….

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT