Sosialy

Vola sandoka Fitaka ho an’ny toekarena


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Araka ny sata mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara, voafaritry ny lalàna, dia izy irery ihany no manana fahafahana hamoaka, hamorona ary hanaparitaka ny vola eto Madagasikara.

 

 

 Helohin’ny lalàna tanteraka ny mpanao vola sandoka saingy hatramin’izao dia mbola misy sahy manamboatra sy manaparitaka izany. Misy voka-dratsiny amin’ny toekarena sy ny fanjifana anefa ny fanaovana sy ny fiparitahan’ny vola sandoka. Mandiso tanteraka ny kajikajy sy ny tranga misy izany amin’ny lafiny ara-bola. Rehefa tena maro ny vola sandoka amin’ny firenena ary mifangaro voraka amin’ny fanaovana fandraharahana dia fahapotehana ara-toekarena foana no fiafarany. Na ho ela na ho haingana dia mety hisy ny fahatrarana azy ireny ary amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy esorina  ireo vola sandoka efa nandalo fandraharahana ireo. Ny sehatra sy tombony azo rehetra tamin’ny nampiasana ireo vola sandoka ireo dia nosokajiana ho tombony ara-toekarena kanefa tsy izay no izy. Ho an’ireo mpanjifa na ireo olona tratra farany izay tsy namorona fa nitana tsy nahy ireo vola sandoka dia mazava ho azy fa matiantoka tanteraka.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT