Sosialy

Vola sandoka 616 tapitrisa Misy ifandraisany amin’ny propagandy ?


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Vola sandoka 10.000 Ar miloko maitso mitentina 616.600.000 Ar no saron’ny zandarimariam-pirenena teny Anosy sy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo nokasaina haparitaka teto an-drenivohitra.

 

Omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety teny Ankadilalana ny fisian’izy ireo niaraka tamin’ireo fitaovana nanamboarana azy toy ny photocopieuse…. Olona miisa 18 no tratra hatreto ary efa anaovana fanadihadiana ka vehivavy ny valo amin’izy ireo. Tafiditra ao  ireo tompona fitaovana nampiasaina sy tompona cyber iray eto an-drenivohitra. Tany amin’iny Faritra Itasy iny ny sasany tamin’izy ireo no tratra ary efa nikasa ny handositra. Anio zoma no hiakatra fampanoavana izy ireo.  Nokendren’ireto olon-dratsy ireto mihitsy ireo toerana roa ireo noho izy  feno olona nivorivory ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny lietena kolonely  Randrianarivelo Anicet kaomandin’ny vondrontobim-paritry ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga fa tsy hain’izy ireo na misy hifandraisany amin’ny propagandy ity raharaha ity satria tsy mbola nahitana porofo.Heverina kosa fa tsy tongatonga ho azy izao vola be sandoka saika haparitaka izao ato anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Miantso ny olona rehetra ho mailo izy ireo amin’ny fikirakirana ireny taratasim-bola mifamezivezy eny an-tsena ireny, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana ho filoham-pirenena izao. Toraka izany koa ireo olona mahafantatra na manam-baovao mba hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT