Sosialy

Vola lany amin’ny fanafody 5.000 ka hatramin’ny 100 000 ariary ho an’ ny olona iray


  • Talata 22 Oktobra 2019

Mandany any amin’ny 5.000 ariary, ka hatramin’ny iray hetsy ariary ny vola lany amin’ny fanafody.

 

 

 

Arakaraky ny aretina miseho kosa anefa ny vola lany amin’izany ary miovaova, fa tsy “prix fixe” io vola lany io, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina ary miakina amin’ny aretina koa izany, hoy hatrany ny nambarany. Araka ny fanazavana voaray, dia nitondra hafatra ho an’ireo olona manao dokotera tena, ity dokotera ity, ka nambarany, fa tsy ampy ny fatra na daozy amin’ny fanafody hohanina, ka lasa tsy mandaitra amin’ny aretina  iray intsony ny fanafody, hoy izy, hany ka lasa sarotra tsaboina. Vao mainka mihombo ny aretina, raha sanatria ka manao dokotera tena, hoy hatrany izy. Tsotra ny hafatra nomeny, dia tsy misy afa-tsy ny fanatonana dokotera na toeram-pitsaboana ihany. Nambarany koa, fa misy aretina mitovy ny fisehoany fa ny fitsaboana no samy hafa, ka ilaina ny fanatonana mpitsabo.

                                       Aretina samihafa

Ankoatra izay dia noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no mahatonga ny aretina samy hafa, koa rehefa mafana ny andro dia manao akanjo mifanaraka amin’izany ny olona, fa rehefa hariva dia mivadika mangatsiaka, ka tonga ny aretina kohoka, ny aretin-kibo ary ny tazo no betsaka amin’izany. Eo koa ny taovam-pisefoana mihetsika rehefa mangatsiaka. Mila tezaina amin’ny fahadiovana koa ny olona, ka alohan’ny hisakafo dia misasa tanana, ary diovina ny sakafo sy ny voankazo hohanina. Ampangotrahana ihany koa ny rano sotroina. Tokony hadio koa ny trano fonenana, fa tsy atao mando, fa mampikohaka zaza. Eo  amin’ny tazo indray, dia idina ny varavarankely, alohan’ny hirehetan’ny jiro. Totofana  ny rano miandrona, sorohana ny lobolobo ary mampiasa lay. Ireo no tokony hotandrovin’ny tsirairay, mba hisorohana ny aretina mety ho tonga tampoka, hoy hatrany ny dokotera Fidy. Marihana, fa miezaka ny manome fahafaham-po ho an’ny olona tonga mitsabo tena ao aminy, ny klinika Fidy, hoy izy.

Sitraka r.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT