Sosialy

Vola fisotroan-dronono Manomboka ny 10 novambra ny fizarana


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Manomboka ny 10 novambra indray ny fizarana fisotroan-dronono eny amin'ny Tahirimbolam-panjakana ho an’ny eto Analamanga, raha ny fampahafantarana.

 

 


Ny 10 novambra ho an’ny laharana “pension” miafara amin’ny 0-1, ny 11 novambra ho an’ny 2-3, ny 12 novambra ho an’ny 4-5, ny 13 novambra ho an’ny 6-7, amin’ny 16 novambra ny 8-9, ny 17 novambra ho an’ny miafara amin’ny A-B-C, ary ny 18 novambra kosa ho an’ireo mitondra “procuration” na fahazoan-dàlana manokana sy ireo taraiky. Ho an'ny faritra hafa dia miankina hatrany amin'ny fahatongavan'ny "titre de paiement des pensions" ny andro voalohany fa manaraka ity fitsinjarana ity ny fandraisana "pension", hoy ny fanazavana. Fandaminana ho an’ny fito andro voalohany ihany io fa misokatra foana ny Tahirimbolam-panjakana ary azo alaina ao anatin’ny vilana amin’izay fotoana mahamety ny fisotroan-dronono aorian’ireo daty ireo, hoy ny fampahafantarana. Iangaviana hatrany isika mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, hoy ny Tahirimbolam-panjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT